Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 34:2-16 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan'ny mpiandry?

3. Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo.

4. Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.

5. Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin'ny bibidia rehetra.

6. Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin'ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin'ny tany rehetra no ielezan'ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.

7. Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry:

8. Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,

9. dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry.

10. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.

11. Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.

12. Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin'izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin'izay rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy maizim-pito.

13. Ary ho entiko mivoaka avy any amin'ny firenena izy ka hangoniko avy any amin'ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin'ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin'izay tsara honenana rehetra eran'ny tany.

14. Eny amin'ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon'ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin'ny tany tsara, ary eny amin'ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.

15. Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo.

16. Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin'ny fitsarana.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 34