Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 32:4-8 Malagasy Bible (MG1865)

4. Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.

5. Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao ny lohasaha.

6. Hataoko safotry ny rànao ny tany Hatramin'ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.

7. Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.

8. Eny, ireny fanazavana eny amin'ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 32