Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 32:16-26 Malagasy Bible (MG1865)

16. Izany no hira fahalahelovana hataon'ny olona; Ny zanakavavin'ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.

17. Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

18. Ry zanak'olona, isaony ny vahoaka maroben'i Egypta, ary ampidino izy mbamin'ny zanakavavin'ny firenena malaza ho any ambanin'ny tany, miaraka amin'izay midina any an-davaka.

19. Mihoatra noho ny an'iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midina, ka miampara amin'izay tsy voafora.

20. Any amin'ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra.

21. Izy sy ny nanampy azy no resahin'ireo malaza amin'ny lehilahy mahery any amin'ny fiainan-tsi-hita manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra.

22. Ao koa Asyria mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra;

23. Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin'ny tanin'ny velona.

24. Ao koa Elama mbamin'ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin'ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka.

25. Teo amin'ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin'ny tanin'ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka izy; Ao amin'ny voa-trabaka no nametrahany azy.

26. Ao koa Meseka-tobala mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona izy.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 32