Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 32:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin'ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin'ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin'ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin'ny tongotrao ka nahaloto ny ony.

3. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin'ireny amin'ny haratoko ianao,

4. Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.

5. Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao ny lohasaha.

6. Hataoko safotry ny rànao ny tany Hatramin'ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.

7. Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 32