Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 31:7-15 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ka dia tsara tarehy tamin'ny fahalehibiazany sy ny halavan'ny sampany izy; Fa tany amin'ny rano maro ny fakany.

8. Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin'ny sahan'Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin'ny sahan'Andriamanitra.

9. Nohatsaraiko tamin'ny haben'ny rantsany ny tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin'ny sahan'Andriamanitra.

10. Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy ka nanandratra ny lohany teo amin'ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny hahavony,

11. Dia hatolotro eo an-tànan'ilay mahery amin'ny firenena izy; Hamely azy tokoa io; Noho ny faharatsiany no nandroahako azy.

12. Ary izay fahavalo masiaka indrindra amin'ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny lohasaha rehetra no nihahafan'ny sampany, ary notapatapahina teny amoron'ny ony rehetra amin'ny tany ny rantsany; Ary nidina niala tamin'ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy.

13. Mipetraka eo amin'ny vatany nianjera ny voro-manidina rehetra, ary eny amin'ny sampany ny bibi-dia rehetra,

14. Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron'ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin'ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin'ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin'ny tany, ho ao amin'ny zanak'olombelona, dia any amin'izay midina any an-davaka.

15. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nidinany ho any amin'ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 31