6. Ary ny zana-bohiny eny an-tanety dia hovonoina amin'ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
7. Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, andrianan'ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
8. Ny zana-bohitrao any an-tanety dia hovonoiny amin'ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.
9. Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny mandanao izy, sady horavany amin'ny fiadiany ny tilikambonao.
10. Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan'ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon'ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin'ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin'ny tanàna izay voabanga izy.
11. Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin'ny sabatra, ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin'ny tany.
12. Hobaboiny ny hirenao, horobainy ny rantonao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinantra; ary ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin'ny rano.