Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 26:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny volana tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'Jehovah nanao hoe: zananivavy.

2. Ry zanak'olona, noho ny nandatsan'i Tyro an'i Jerosalema hoe: Hià! sakoa izay! rava ilay vavahadin'ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana,

3. Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany.

4. Ary horavan'ireo ny mandan'i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.

5. Ho famelarana harato eo amin'ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia ho babon'ny-firenena izy.

6. Ary ny zana-bohiny eny an-tanety dia hovonoina amin'ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

7. Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, andrianan'ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.

8. Ny zana-bohitrao any an-tanety dia hovonoiny amin'ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.

9. Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny mandanao izy, sady horavany amin'ny fiadiany ny tilikambonao.

10. Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan'ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon'ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin'ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin'ny tanàna izay voabanga izy.

11. Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin'ny sabatra, ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin'ny tany.

12. Hobaboiny ny hirenao, horobainy ny rantonao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinantra; ary ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin'ny rano.

13. Ary hatsahatro ny feon'ny hiranao, sady tsy ho re intsony ny fanenon'ny lokanganao.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 26