Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 24:7-18 Malagasy Bible (MG1865)

7. Fa ny ràny dia ao aminy; teo ambonin'ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin'ny tany hosaronan'ny vovoka izy.

8. Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin'ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.

9. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.

10. Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy, ary aoka ho may ny taolana.

11. Dia foàny ny vilany, ka ataovy eo ambonin'ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.

12. Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin'ny afo ny harafesiny.

13. Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin'ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.

14. Izaho Jehovah no niteny, ka ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na hanenina; araka ny fanaonao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy Jehovah Tompo.

15. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

16. Ry zanak'olona, indro, efa hesoriko amin'ny loza indray mamely monja ilay tian'ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.

17. Misentoa malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny fahan-kanina aterin'olona.

18. Ary nony maraina dia niteny tamin'ny olona aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary nony maraina indray dia nanao araka ny efa nandidiana ahy aho.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 24