Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 24:4-13 Malagasy Bible (MG1865)

4. ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izy.

5. Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.

6. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa aza anaovana filokana.

7. Fa ny ràny dia ao aminy; teo ambonin'ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin'ny tany hosaronan'ny vovoka izy.

8. Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin'ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.

9. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.

10. Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy, ary aoka ho may ny taolana.

11. Dia foàny ny vilany, ka ataovy eo ambonin'ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.

12. Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin'ny afo ny harafesiny.

13. Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin'ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 24