Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 24:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Ry zanak'olona, soratinao ny anaran'ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan'i Babylona miantomboka mamely an'i Jerosalema amin'izao andro anio izao.

3. Ary milazà fanoharana amin'ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny;

4. ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izy.

5. Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.

6. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa aza anaovana filokana.

7. Fa ny ràny dia ao aminy; teo ambonin'ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin'ny tany hosaronan'ny vovoka izy.

8. Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin'ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.

9. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.

10. Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy, ary aoka ho may ny taolana.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 24