Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 21:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary lazao amin'ny ala amin'ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin'i Jehovah: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho main'ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra;

4. Ka dia ho hitan'ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nampirehitra io, ka tsy hovonoina.

5. Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Hoy ny fitenin'ny olona ahy: Tsy fanoharana va no ataony?

6. Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

7. Ry zanak'olona, manandrifia an'i Jerosalema, ary mitenena manandrify ny fitoerana masina, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny tanin'ny Isiraely.

8. Ary ataovy amin'ny tanin'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho no mamely anao, ary hotsoahako amin'ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 21