Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 17:21-24 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin'ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.

22. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin'ny rantsana avo indrindra amin'ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron'ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin'ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.

23. Ao amin'ny tendrombohitra avon'ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin'ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.

24. Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 17