Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 16:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Ry zanak'olona, ampahafantaro an'i Jerosalema ny fahavetavetany,

3. ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao.

4. Ary ny amin'ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin'ny andro nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin'ny rano ianao, na voahosotra sira, na voahodidina lamban-jaza akory.

5. Tsy nisy maso niantra anao hanao izany aminao, na dia iray akory amin'ireo zavatra ireo aza, mba hamindra fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao, satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin'ny andro nahaterahanao.

6. Ary raha nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin'ny rànao, dia hoy Izaho taminao, raha mbola tamin'ny rànao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho taminao, raha mbola tamin'ny rànao ianao: Ho velona anie ianao.

7. Efa nataoko alinalina, toy ny zava-maniry any an-tsaha, ny isanao, ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo, nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany

8. Ary raha nandalo Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana: ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao.

9. Dia nampandroiko rano ianao, eny, nosasako tsara ho afaka tamin'ny rànao, dia nohosorako diloilo.

10. Notafiako lamba misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditakasy, ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako amparasily.

11. Noravahako firavaka koa ianao, ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 16