toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14
  15. 15
  16. 16
  17. 17
  18. 18
  19. 19
  20. 20
  21. 21
  22. 22
  23. 23
  24. 24
  25. 25
  26. 26
  27. 27
  28. 28
  29. 29
  30. 30
  31. 31
  32. 32
  33. 33
  34. 34
  35. 35
  36. 36
  37. 37
  38. 38
  39. 39
  40. 40
  41. 41
  42. 42
  43. 43
  44. 44
  45. 45
  46. 46
  47. 47
  48. 48

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 15 Malagasy Bible (MG1865)

Fanoharana mampiseho ny toetr'i Jerosalema

1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Ry zanak'olona, inona no ihoaran'ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan'ny hazo any an'ala?

3. Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra?

4. Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon'ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy?

5. Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon'ny afo sy may izy?

6. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin'ny hazo any an'ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema.

7. Ary hanandrina azy ny tavako; hiala avy amin'ny afo izy nefa ho levon'ny afo hafa indray; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako.

8. Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo.