Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 12:3-6 Malagasy Bible (MG1865)

3. Koa ianao, ry zanak'olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin'ny fahababoana, ka miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin'izay itoeranao ho any amin'ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.

4. Dia havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana; fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho any amin'ny fahababoana.

5. Boroboahy eo imasony ny manda, ka ao no amoahy ny entanao.

6. Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; sarony ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko ho famantarana mahagaga ho an'ny taranak'Isiraely ianao.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 12