Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 11:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.

2. Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin'ity tanàna ity,

3. dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena;

4. ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak'olona.

5. Ary tonga tao amiko ny Fanahin'i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.

6. Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin'ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty.

7. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.

8. Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 11