Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Estera 8:9-17 Malagasy Bible (MG1865)

9. Dia nantsoina tamin'izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian'i Mordekay izany ho any amin'ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin'ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.

10. Ary nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;

11. ka ny Jiosy izay teny amin'ny isan-tanàna dia navelan'ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin'ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin'ny vady aman-janak'ireny ary handroba ny fananany

12. amin'ny andro iray ihany any amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany).

13. Ny kopen'ny teny natao didy ho amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana dia nantsoina tamin'ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin'izany andro izany hamaliany ny fahavalony.

14. Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan'ny tenin'ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.

15. Ary tamin'ny nialan'i Mordekay teo anatrehan'ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.

16. Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.

17. Ary teo amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.

Vakio ny toko manontolo Estera 8