Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Estera 4:6-15 Malagasy Bible (MG1865)

6. Dia nivoaka Hatàka nankany amin'i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka;

7. dia nambaran'i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan'ny vola izay nokasain'i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan'ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy.

8. Ary nomeny azy koa ny kopen'ny lalàna, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin'i Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin'ny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an'ny fireneny.

9. Ary tonga Hatàka ka nanambara ny tenin'i Mordekay tamin'i Estera.

10. Fa Estera naniraka an'i Hatàka indray hanao amin'i Mordekay hoe:

11. Ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran'ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin'ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin'ny mpanjaka amin'ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin'ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.

12. Dia nolazaina tamin'i Mordekay ny tenin'i Estera.

13. Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin'i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon'ny mpanjaka;

14. fa raha hangina mihitsy ianao amin'izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin'ny fitoerana hafa ho an'ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana?

15. Dia nampitondra valiny ho any amin'i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:

Vakio ny toko manontolo Estera 4