Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Estera 4:15-17 Malagasy Bible (MG1865)

15. Dia nampitondra valiny ho any amin'i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:

16. Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.

17. Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.

Vakio ny toko manontolo Estera 4