Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Estera 3:11-15 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.

12. Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian'i Hamana ho an'ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin'ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin'ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin'ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka.

13. Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin'ny zaza amim-behivavy aza, amin'ny indray andro monja, dia tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.

14. Ny kopen'ny teny izay natao didy ho amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan'ny olona rehetra hampiomana azy ho amin'izany andro izany.

15. Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan'ny tenin'ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.

Vakio ny toko manontolo Estera 3