Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 8:24-28 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy.

25. Ary hoy Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin'i Jehovah mba hialan'ny lalitra amin'i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao fanatitra ho an i'Jehovah.

26. Ary Mosesy niala teo amin'i Farao ka nangataka tamin'i Jehovah

27. Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin'i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza.

28. Ka­njo Farao nanamafy ny fony indray tamin'izany ka tsy nandefa ny olona.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 8