Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 6:21-30 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary ny zanakalahin'i Jizara dia Kora sy Nafega ary Zikry.

22. Ary ny zanakalahin'i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry.

23. Ary Arona naka an'i Eliseba, zanakavavin'i Aminadaba sady anabavin'i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy.

24. Ary ny zanakalahin'i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen'ny Korana.

25. Ary Eleazara, zanakalahin'i Arona, naka vady avy tamin'ny zanakavavin'i Potiela, dia niteraka an'i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan'ny fianakavian'ny Levita, araka ny fokom-pireneny.

26. Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan'i Jehovah hoe: Ento ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any amin'ny tany Egypta araka ny antokony.

27. Ireo no niteny tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona.

28. Ary tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo amin'ny tany Egypta,

29. dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao.

30. Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan'i Farao ahy!

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 6