Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 5:17-23 Malagasy Bible (MG1865)

17. Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah.

18. Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany.

19. Ary hitan'ny mpifehy ny Zanak'Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan'ny birikinareo amin'ny anjara-fanompoana isan'andro.

20. Ary izy ireo dia nihaona tamin'i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin'i Farao izy;

21. dia hoy izy tamin'izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan'i Farao sy eo anatrehan'ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.

22. Ary Mosesy niverina ho any amin'i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin'ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?

23. Fa hatrizay nankanesako tao amin'i Farao mba hiteny amin'ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin'ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 5