Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 37:25-29 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin'ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.

26. Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina.

27. Ary nasiany vava volamena roa izy teo ambanin'ny koronosiny, ka nataony teo amin'ny zorony efatra ireo ho fitoeran'ny bao hilanjana azy.

28. Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena.

29. Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 37