Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 35:23-35 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.

24. Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin'ny fanompoana dia nitondra azy.

25. Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.

26. Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin'ny fony tamin'ny fahendrena dia namoly ny volon'osy.

27. Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra,

28. ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin'ny diloilo fanosorana ary ho amin'ny ditin-kazo mani-pofona.

29. Ary ny Zanak'Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an'i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao.

30. Ary hoy Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely: Indro, efa notononin'i Jehovah anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda,

31. ka efa nofenoiny fanahin'Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa,

32. dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,

33. ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra.

34. Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy amin'ny firenen'i Dana.

35. Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 35