Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 35:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian'i Jehovah hatao:

2. Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masina aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an'i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hatao maty.

3. Aza mampirehitra afo amin'ny andro Sabata any amin'izay rehetra itoeranareo.

4. Ary Mosesy niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:

5. Manalà ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,

6. ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon'osy

7. sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,

8. sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,

9. ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 35