Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 3:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Mosesy niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.

2. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.

3. Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan'ny roimemy.

4. Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.

5. Ary hoy Izy: Aza manakaiky etỳ; esory ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io.

6. Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an'Andriamanitra izy.

7. Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;

8. dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin'ny tanan'ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin'izany tany izany ho any amin'izay tany soa sy malalaka, dia any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

9. Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely dia efa mby atỳ amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian'ny Egyptiana azy.

10. Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin'i Farao hitondra ny Zanak'Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta.

11. Fa hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta?

12. Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an'Andriamanitra eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.

13. Ary hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin'ny Zanak'Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 3