Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 29:30-37 Malagasy Bible (MG1865)

30. Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin'ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin'ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina.

31. Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin'izay fitoerana masina ny henany

32. Ary hohanin'i Arona sy ny zanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin'ny harona.

33. Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany.

34. Ary raha misy sisa tsy lany amin'ny henan'ny fanatitra fanokanana, na amin'ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin'ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masina.

35. Dia manaova izany amin'i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy.

36. Ary vantotr'ombilahy iray no haterinao isan'andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy.

37. Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an'ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masina indrindra ny alitara, ary ho masina izay rehetra manendry azy.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 29