Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 23:23-33 Malagasy Bible (MG1865)

23. Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,

24. Aza miankohoka eo anatrehan'ny andriamanitr'ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.

25. Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.

26. Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin'ny taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao.

27. Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.

28. Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.

29. Tsy handroaka azy eo alohanao amin'ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.

30. Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.

31. Ary hatramin'ny Ranomasina Mena ka hatramin'ny ranomasin'ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin'ny efitra ka hatramin'ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin'ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.

32. Aza manao fanekena aminy na amin'ny andriamaniny ianao.

33. Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 23