Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 22:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Raha azo manamitrano ny mpangalatra ka asiana ho faty, dia tsy hisy valin-drà amin'izany;

2. fa raha tratry ny masoandro miposaka kosa izy, dia hisy valin-drà ihany amin'izany; hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona, dia hamidy izy noho ny halatra nataony.

3. Raha hita marina velona eo aminy ny halatra na omby, na boriky, na ondry, na osy, dia hanonitra roa heny izy.

4. Raha misy olona mampitondraka amin'ny voly na tanim-boaloboka, fa alefany handeha ny bibiny, ka homana ny volin'olona izany biby izany, dia amin'ny tsara indrindra ao amin'ny sahany, ary amin'ny tsara indrindra ao amin'ny tanim-boalobony, no hanonerany.

5. Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 22