Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 21:17-28 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.

18. Ary raha misy olona mifanditra, ka ny anankiray mamely ny namany amin'ny vato, na amin'ny totohondry, koa tsy maty izy, fa marary ambany tsihy,

19. raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr'andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.

20. Ary raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin'ny tsorakazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana, dia hovaliana tokoa izy.

21. Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy.

22. Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan'anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan'ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian'ny mpitsara izy.

23. Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina solon'ny aina ianao,

24. maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra,

25. may solon'ny may, ratra solon'ny ratra, mivatra solon'ny mivatra.

26. Ary raha misy olona mamely ny mason'ny andevolahiny na ny mason'ny andevova­viny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.

27. Ary raha ny nifin'ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny.

28. Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon'ilay omby dia ho afa-tsiny.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 21