Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 20:22-26 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao no lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.

23. Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.

24. Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman'osinao sy ny ombinao; eo amin'ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.

25. Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.

26. Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 20