Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 18:11-19 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny.

12. Ary Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon'ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin'ny rafozan'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra.

13. Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan'i Mosesy ny olona hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva.

14. Ary rehefa hitan'ny rafozan'i Mosesy izay rehetra nataony tamin'ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin'ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva?

15. Ary hoy Mosesy tamin'ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin'Andriamanitra.

16. Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny.

17. Ary hoy ny rafozan'i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.

18. Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.

19. Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin'Andriamanitra;

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 18