toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14
  15. 15
  16. 16
  17. 17
  18. 18
  19. 19
  20. 20
  21. 21
  22. 22
  23. 23
  24. 24
  25. 25
  26. 26
  27. 27
  28. 28
  29. 29
  30. 30
  31. 31
  32. 32
  33. 33
  34. 34
  35. 35
  36. 36
  37. 37
  38. 38
  39. 39
  40. 40

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 15 Malagasy Bible (MG1865)

Ny nahatongavan'ny Zanak'Isiraely tao Elima, sy ny nimonomononany tany an-efitr'i Sinay noho ny tsi-fisian-kanina, ary ny nanomezan'Andriamanitra azy mana sy papelika hohaniny.

1. Ary Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an'i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin'ny ranomasina.

2. Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.

3. Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany.

4. Ny kalesin'i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin'ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin'ny Ranomasina Mena.

5. Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.

6. Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin'ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.

7. Amin'ny halehiben'ny voninahitrao no andringananao izay nitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao mirehitra, izay mandevona azy toy ny mololo.

8. Ary ny fofonain'ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan'ny ranomasina ny lalina.

9. Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.

10. Ny fofonainao no nitsofanao, dia nanarona azy ny ranomasina: nilentika tahaka ny firaka ao amin'ny rano mahery izy.

11. Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?

12. Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany.

13. Tarihinao amin'ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin'ny herinao ho any amin'ny fonenanao masina izy.

14. Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;

15. Toran-kovitra ny loham-pirenen'i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin'i Moaba; reraka ny fon'izay rehetra monina any Kanana.

16. Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben'ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy. mandra-pandalon'ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon'ny olona izay navotanao.

17. Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin'ny tendrombohitra lovanao, ao amin'ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin'ny fitoerana masina naorin'ny tananao, Tompo ô.

18. Jehovah hanjaka mandrakizay doria.

19. Fa niditra teo amin'ny ranomasina ny soavalin'i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina.

20. Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin'i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.

21. Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an'i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin'ny ranomasina.

22. Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron'ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin'ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.

23. Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara

24. Dia nimonomonona tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay?

25. Ary dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka dia nanehoan'i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin'ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan'i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,

26. ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.

27. Ary tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan'ny rano izy.