Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 12:42-48 Malagasy Bible (MG1865)

42. Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby.

43. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.

44. Ary ny andevolahin'ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.

45. Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.

46. Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.

47. Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.

48. Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 12