Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 1:10-17 Malagasy Bible (MG1865)

10. andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin'ny tany.

11. Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin'ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an'i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.

12. Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak'Isiraely indrindra ny Egyptiana.

13. Dia nampanompoin'ny Egyptiana fatratra ny Zanak'Isiraely,

14. ka nataony mangidy ny fiainany tamin'ny fanompoana mafy, dia tamin'ny feta sy ny biriky mbamin'ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.

15. Ary ny mpanjakan'i Egypta niteny tamin'ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran'ny anankiray, ary Poa no anaran'ny anankiray)

16. ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin'ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.

17. Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 1