Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 9:6-14 Malagasy Bible (MG1865)

6. Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan'i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.

7. Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an'i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin'ny andro nialanao tany amin'ny tany Egypta ka hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity dia mbola niodina tamin'i Jehovah ihany ianareo.

8. Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an'i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.

9. Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon'i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,

10. dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron'Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny andro nivoriana.

11. Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.

12. Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin'ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.

13. Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.

14. Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin'ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 9