Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 7:17-26 Malagasy Bible (MG1865)

17. Raha ianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?

18. dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Farao sy ny Egyptiana rehetra,

19. dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny firenena rehetra izay atahoranao.

20. Ary ny fanenitra koa dia hampandehanin'i Jehovah Andriamanitrao ho eo aminy mandra-paharingan'izay sisa sy izay efa niery ka tsy hitanao.

21. Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.

22. Ary horoahin'i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.

23. Fa hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany.

24. Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony atỳ ambanin'ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.

25. Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin'ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izany.

26. Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 7