Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 6:14-23 Malagasy Bible (MG1865)

14. Aza manaraka izay andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo,

15. fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao.

16. Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa.

17. Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao.

18. Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason'i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena azy,

19. ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain'i Jehovah.

20. Ary raha manontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika anareo?

21. Dia holazainao aminy hoe: Andevon'i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.

22. Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin'ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.

23. Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin'ny razantsika homena azy.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 6