Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 32:25-37 Malagasy Bible (MG1865)

25. Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin'ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo.

26. Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona,

27. Raha tsy ny fireharehan'ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.

28. Fa firenena tsy manan-tsaina izy Sady tsy manam-pahalalana.

29. Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.

30. Hataon'ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon'ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?

31. Fa tsy mba mitovy amin'ny Vatolampintsika ny vatolampin'ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.

32. Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok'i Sodoma Ary avy ao amin'ny sahan'i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony.

33. Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin'ny dragona, Ary poizina loza avy amin'ny bibilava.

34. Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako?

35. Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.

36. Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin'ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.

37. Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany,

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 32