Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 31:27-30 Malagasy Bible (MG1865)

27. Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin'i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.

28. Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.

29. Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin'ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin'ny asan'ny tananareo.

30. Dia nolazain'i Mosesy teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin'izao fihirana izao mandra-pahavitany.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 31