Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 27:13-25 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly.

14. Dia hiteny ny Levita ka hanao amin'ny Isiraely rehetra amin'ny feo mahery hoe:

15. Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason'i Jehovah, asan'ny tanan'ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin'ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.

16. Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

17. Hozonina izay mamindra ny faritanin'ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

18. Hozonina izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

19. Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

20. Hozonina izay mandry amin'ny vadin-drainy, fa mandry amin'izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

21. Hozonina izay mandry amin'ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

22. Hozonina izay mandry amin'ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

23. Hozonina izay mandry amin'ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

24. Hozonina izay mamely ny namany ao amin'ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

25. Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 27