Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 27:12-19 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an'i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.

13. Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly.

14. Dia hiteny ny Levita ka hanao amin'ny Isiraely rehetra amin'ny feo mahery hoe:

15. Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason'i Jehovah, asan'ny tanan'ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin'ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.

16. Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

17. Hozonina izay mamindra ny faritanin'ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

18. Hozonina izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

19. Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 27