Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 25:9-16 Malagasy Bible (MG1865)

9. dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin'ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin'ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin'izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.

10. Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin'ny Isiraely hoe: Fianakavian'ilay nalan-kapa.

11. Raha misy olona miady, ary ny vadin'ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin'ny tànan'izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,

12. dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.

13. Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.

14. Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.

15. Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.

16. Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 25