Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 22:6-15 Malagasy Bible (MG1865)

6. Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin'ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin'ny zanany.

7. Alefaso mihitsy ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba hahita soa ianao ka ho maro andro.

8. Raha manao trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin'ny rà ho ao an-tranonao ianao.

9. Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.

10. Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.

11. Aza mitafy lamba volon'ondry sy rongony mifamahofaho.

12. Asio somotraviaviny ny zorony efatra amin'ny lambanao izay itafianao.

13. Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,

14. dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:

15. dia halain'ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virijina ka ho entiny ho eo amin'ny loholona amin'ny tanàna eo am-bavahady.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 22