Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 20:7-20 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.

8. Ary mbola hiteny amin'ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon'ny rahalahiny.

9. Ary rehefa vitan'ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin'ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.

10. Raha mby akaikin'izay tanàna hiadiana ianao, dia milazà fihavanana aminy.

11. Ary raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy.

12. Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano izy.

13. Ary rehefa atolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy, dia hovonoinao amin'ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.

14. Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amim-behivavy sy ny biby fiompy ary izay rehetra ao an-tanàna, dia ho entinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin'ny fahavalonao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.

15. Toy izany no hataonao amin'ny tanàna rehetra izay lavitra anao indrindra ka tsy tanànan'ireto firenena ireto.

16. Fa ny tanànan'ireto firenena ireto kosa, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.

17. Fa aringano tokoa ireo, dia ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao,

18. mba tsy hampianarany anareo hanao araka ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin'ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo.

19. Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin'ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin'ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?

20. Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 20