Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 2:23-36 Malagasy Bible (MG1865)

23. ary ny amin'ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan'ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).

24. Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan'i Hesbona, mbamin'ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.

25. Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin'ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.

26. Dia naniraka olona avy tany an-efitr'i Kedemota aho hankany amin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe:

27. Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako, ka tsy hivily aho, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;

28. vola no hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola no hamidiko rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho

29. (araka izay nataon'ny taranak'i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitray anay.

30. Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin'izao anio izao.

31. Dia niteny tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka hanolotra an'i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny.

32. Dia nivoaka Sihona mbamin'ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza.

33. Dia nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika, ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika.

34. Ary nahafaka ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany isika ka nandringana ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza.

35. Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin'ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho babo.

36. Hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin'ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 2