Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 18:19-22 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin'ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.

20. Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin'ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty.

21. Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain'i Jehovah?

22. Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 18