Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 16:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin'ny volana Abiba no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alina.

2. Ary vonoy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman'osy sy omby, eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah hampitoerany ny anarany.

3. Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin'ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta.

4. Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao ao anatin'ny fari-taninao rehetra hafitoana; ary aoka tsy hisy hitoetra miloaka alina ny henan'ny fanatitra izay novonoinao tamin'ny harivan'ny andro voalohany.

5. Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao rehetra izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao;

6. fa eo amin'ny fitoerana izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta.

7. Ary atsatsiho amin'ny afo izy, ka hano eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao; ary miverena nony maraina, ka modia any amin'ny lainao.

8. Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara-fivoriana ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hanao raharaha ianao amin'izany.

9. Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin'ny andro iandohan'ny fijinjam-bary no hanisanao azy.

10. Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian'i Jehovah Andriamanitrao anao;

11. ary mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.

12. Ary tsarovy fa andevo tany Egypta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 16