Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 15:11-18 Malagasy Bible (MG1865)

11. Fa ny tany tsy ilaozan'olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao, dia amin'ny malahelo sy ny mahantra eo amin'ny taninao.

12. Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin'ny taona fahafito.

13. Ary raha hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy havelanao handeha fotsiny;

14. fa hisy hampitondrainao azy avy amin'ny ondry aman'osinao ary avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao: araka izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao no hanomezanao azy.

15. Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio.

16. Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao, ka finaritra aminao izy,

17. dia halainao ny haolo ka hotevehinao amin'ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin'ny ankizivavinao.

18. Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman'ny mpikarama no azonao tamin'ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra ataonao.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 15